Article: Présentation Général
Tamin'ny taona 1960 no niforona ny
Sampana Tanora Kristiana teto amin'ny FJKM Ilanivato. Ny isan'ny
mpikambana tamin'ny voalohany dia 75. Anisan'ny
nampiavaka ny tanora teto Ilanivato tamin'izany fotoana izany dia ny
fahaizany mihira ka nahatonga azy natetika nifandray tamin'ireo STK...
"Fa isika tsy mba naman'izay mihemotra ho any amin'ny fahaverezana" Hebreo 10. 39a Io tenin'Andriamanitra io no teny filamatra nentina nanamarihana ny faha 45 taona niorenan'ny STK ILANIVATO (1960 - 2005) (Suite)
Isaorana Andriamanitra mbola manome antsika hatrany ny fahasoavany. Ny Sampana Tanora Kristiana ILANIVATO dia sampana velona iray ao anatin'ny fiangonana FJKM ILANIVATO. Io sampana io dia natao indrindra hitaizana ny tanora amin'ny lafiny rehetra na ara-batana na ara-tsaina ary indrindra...
Ny tanjon'ny STK Ilanivato dia ny fitoriana ny filazantsara amin'ny olona rehetra ary ny ahatonga ny tanora malagasy hahafantatra ny lalana marina tokony hizorany. Ankehitriny ny FJKM ILANIVATO dia efa manao ny asa fitoriana ny filazantsara amin'ny alalan'ny MISIA MAZAVA izany hoe fiangonana...